<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>R. Rafihavanana</author>
<hymn_number>211</hymn_number>
<title>Ilay Boky 'zay nodorana FFPM211</title>
<lyrics>[V1]
 Ilay Boky izay nodorana
 Dia may, nefa tsy levona ;
 Izay natao ho lavenona,
 Lasa vato fanorenana ;
 Noheverina ho foana,
 Kanjo mainka koa velona ;
 Ilay nafenina, nalevina
 No nisandratra, nivelatra !
 Iza moa no hahasakana
 Eny, iza no hanohitra
 Ilay teny voasoratra,
 Dia ny tenin'Andriamanitra ?
 Izao rehetra izao ho levona
 Fa ny Teny dia haharitra.

[V2]
 Rasalama nolefonina
 Nisy hafa koa nodorana
 Hantsana no namarinana,
 Tora-bato: fahafatesana
 Dia tao ireo nampinomina,
 Noterena mba hiozona :
 Moa izany nampivadika
 Kristiana be finoana ?
 Valin-teny voasoratra
 Nentiny nandresy lahatra
 Feo tony, tava mirana,
 Feno hery, hasambarana :
 « Tsy mba misy atahorako
 Afa-tsy Hianao,
 ry Tompoko ».

[V3]
 Ilay teny masina sy to
 Manambara ny Mpamonjiko,
 Tena saro-bidy ao am-po,
 Ka vakiko sy ianako.
 Fifaliako, fiarovako,
 Fahazavana ao an-dalako ;
 Koa tanako ho lovako
 Sy isaorako ny Tompoko,
 Maty aho, nefa velona
 Fa Kristy no ahavelomako,
 Maty Izy, nohomboana,
 Noho ny fahotana vitako
 Nefa Izy dia natsangana,
 Santatry ny hitsanganako.</lyrics>
</song>